Wikipedia:Fandraisana

Tonga soa eto amin’i Wikipedia
ny raki-pahalalana malalaka azon’ny tsirairay ovaina
Lahatsoratra 103 305 amin’ny teny malagasy

Lahatsoratra notsongaina ho an’ity volana ity

Zavamaneno misy tadiny

Ny zavamaneno misy tadiny na kôrdôfônina dia zavamaneno mamoaka feo avy amin' ny fihovitrovitry ny tady iray na maromaro eny aminy, kasihina, kitihina na velezin' ny mpitendry zavamaneno amin' ny rantsan-tanany mivantana na amin' ny alalan' ny fampiasana fitaovam-pikasohana na fikitihana na fivelezana.

Efa arivo taona maro ny tantaran' ny zavamaneno misy tadiny. Ny voalohany angamba dia zavamaneno tsy nanana afa-tsy tady iray, sahala amin' ny jejilava. Efa fantatra hatrany Ejipta fahiny ny mpilalao harpa. Tamin' ny Andro Antenatenany dia nampiasa karazana valiha, sns ny mpitendry mozika.

Ny mpitendry zavamaneno dia milalao zavamaneno misy tadiny, toy ny gitara, amin' ny fikitihana ny tady amin' ny rantsantanany na amin' ny zavatra hafa, ary ny zavamaneno hafa amin' ny fivelezana ny tady amin' ny alalan' ny tantanana hazo maivana na amin' ny fikasohana ny tady amin' ny fitaovana toy ny tsipìka atao hoe fikasohana, ka anisan' ireo zavamaneno ireo ny lokanga. Amin' ny zavamaneno misy kitendry sasany, toy ny klavesinina, ny mpitendry dia manindry ny kitendry izay mikitika ny tady. Ny zavamaneno hafa dia mamoaka feo amin' ny alalan' ny fikapohana ny tady.

Raha mampiasa zavamaneno kasohin-tadiny (lokanga) ny mpitedry zavamaneno dia misintona na mampandroso fikasohana, vita amin' ny volom-bombon-tsoavaly nohosorana karazana ditin-kazo (hazo kesika indrindra), eo amin' ny tady, ka mahatonga azy ireo hihovitrovitra. Raha mamiasa viela kosa ilay mpitendry dia manodina kodia izay mikasoka amin' ny tady ny sisiny nohosorana ditin-kazo.

Ny zavamaneno ampiasana fikasohna dia ahitana ny andian-javamaneno misy tadiny ao amin' ny ôrkesitra amin' ny mozika klasika tandrefana (fianakavian-dokanga) sy zavamaneno maro hafa (ohatra ny viôla sy ny gamba nampiasaina tamin' ny mozika tany am-boalohany tamin' ny mozikan' ny Vanim-potoana Barôka sy ny lokanga nampiasaina tamin' ny karazana mozikam-poko maro). Azo kitihina amin' ny rantsantanana ihany koa ny zavamaneno rehetra misy tadiny ampiasana fikasohana, teknika antsoina hoe "pizzicato". Teknika isan-karazany no ampiasaina hampanenoana ny gitara elektrika, ao anatin' izany ny fikitihana amin' ny hohon-tanana na amin' ny alalan' ny plektra, sns.

Ny zavamaneno misy tadiny sasany dia tena kitihina, anisan' izany ny harpa sy ny gitara beso elektrika. Ohatra hafa koa ny sitara, ny rebaba, ny banjô, ny mandôlinina, ny okolele, ary ny bozoky.

(tohiny...)


 Lahatsoratra tsara vakiana

Betsileo miresadresaka

Ny Betsileo dia vondrom-poko lehibe eto Madagasikara, ao amin'ny toerana voafaritry ny ony Mania ao avaratra, ny tanin' ny Tanala ao atsinanana, ny tendrombohitr' Andringitra ao atsimo, ary ny tandavan-tendrombohitr' i Bongolava ao andrefana, izany hoe ao amin'ny Faritanin'i Fianarantsoa. Ireto ny tanàna lehibe ao amin'ny tanin'ny Betsileo: Ambositra, Ambohimahazo, Ambohinamboarina, Fianarantsoa, Ambohimahasoa ary Ambalavao.

Ny fanjakana betsileo samihafa (Betafo, Fandriana, Fisakana, Manandriana, Isandra, sns) dia tsy nifampiankina, ary nanana ny lovantsofiny nanomboka tamin'ny taonjato faha-17. Nisy fifanarahana tamin'ny fanjakana Merina tamin'ny andron'i Andrianampoinimerina. Noravain'i [1]Radama I izay nandova fitondrana. Notafihin-dRadama I izy ireo izay niafara tamin'ny famonoana tao akaikin'Ambalavao, izay tany masina amin'ny Betsileo satria tsy nanaiky ho resy na babo izy ireo fa namono tena. Nisy ampahany amin' ny Betsileo voatery nifindra monina na lasa nanompo ireo izay nandresy azy. Ny Betsileo amin' ny maha-vondrom-poko azy dia nanomboka tamin'ny taonjato faha-19 ho fizarazarana ara-pitantanan'ny governemanta malagasy.

(tohiny)

 Sarin’ny anio


 Ny vaovao


Wu Yize nandritra ny lanonana 2026 teo ivelan'ny teatira Crucible, Sheffield.
  • 7 mey 2026 :
    • Rehefa tratran'ny sovoka nataon'ny ShinyHunters tamin'ny fiandohan'ny volana tao amin'ny rafi-pitantanana fianarana (learning management system), dia mbola niverenany nosovohina indray tamin'ny 6-7 mey ny Instructure mitantana ny Canvas. Sekoly sy Anjerimanontolo 9000 manerantany no miankina amin'ny sehatra Canvas.
  • 6 mey 2026 :
    • Nodimandry teo amin'ny faha-87 taonany i Ted Turner, tompona fampitam-baovao sady mpanao fanampiana ara-kolontsaina.
  • 4 mey 2026 :
    • Nisy fipoahana tao amin'ny orinasa iray mpanao afomanga tao Liuyang, Hunan, Shina, ka nahafaty olona 26 sy naharatra 61 hafa.
    • Resin'i Wu Yize tamin'ny famaranana i Shaun Murphy ka dia izy no Tompondaka Manerantany amin'ny Snooker.
    • Mitsahatra tsy nohavaozina intsony ny wikinews, izay tetikasa iray tampo amin'ny wikipedia ihany.

* Mey 2026 * Avrily 2026 * Marsa 2026 * Tahiry 2026 * Teo aloha


 Efemerida

Androany 5 jona:

Pejy rehetra 

Sokajy 

 

 

 

Filozofia 

Matematika 

Kolontsaina malagasy 

Ekolojia 

Teknolojia 

Simia 


  1. Lovan-tsofina Betsileo
Fiteny